You are here: home > Vetso

IZAHO 'LAY LEO - Tsilaitra

Izaho ‘lay leon’ny toetra sy fanao
Leon’ny alim-podinao isan’andro lava izao
Leon’ny antso tsisy valiny,
Leon’ny fomba sy famaliny
Leon’ny namana sy tariny
Leon’ny fitia sarintsariny

Izaho ‘lay leo miandry lava etoana
Mitebiteby mandavana fotoana
Leon’ny mangiana sy mimoana
Toa olona misoana
Leon’ny tsy misy fiahiana
Mianoka anaty fanahiana

Hametraka hevitra

Midira aloha