You are here: home > Vetso

Miangavy anao ry Lanitra - Tsilaitra

Aoka re ry lanitra
Mba amindrao fo fa osa sy onena
Izato firenena
Efa difitra any an-davaka
Kanefa tsy mahaloaka vavaka
Ifonana aminao
Vonjeo raha azo atao

Miangavy re vonjeo
vimbino sy jereo ireo mpandray andraikitra
sao amarina any an-kady
Indraindray variana miady
Ka tsy mahita intsony izay làlana ombana
Vonjeo fa aza ialàna.

Miangavy anao ry Lanitra
Aza mbola arotsaka eto ny sazy mahamay
Ahitsio aloha zahay
Aza mbola ampiharina
Fa tsy mety ho tafarina
Ity Nosy maminay

Tsilaitra (mars 2010)

Sokajy : Tanindrazana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha