You are here: home > Vetso

Naratrako - Tsilaitra

Azo vakiana?

Indrisy tratrako nisavilivily nanaraka tamboho
Ka naratrako rehefa mba nikiry niseho mafy loha
Dia naolako ho folaka ny tanany anakiroa

Nanjary feno ra ny ahimaitso zay nitoerany
Tsy afaka nanda fa nivoraka ny lelany
Naratrako 'lay maizina hoy ny tany ivelany

Indrisy tratrako nitsoaka ny dinan'ny fitia
Nifanaovany hatrizay mba ho rakitra doria
Kanefa dia nafoy fa izy dia nania

Tsilaitra, 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha