You are here: home > Vetso

Raha lehilahy - Tsilaitra

Jerem-potsiny ary ve
ireto rà mitete mandavana fotoana
Moa odiana tsy ho re
ny dinitra mijoy toy ny oran-dohataona?

Moa hanampi-maso koa
manoloana ireo logoa famandrihana vahoaka
Fa ny etsy sy eroa
tsy mahita asiana loha, kanefa ianao itsoaka

Mijoroa raha lehilahy
Aoka ianao ho sahy hiatrika ny ho avy
raha tsy izany dia modia
any ambany rangolahy fa aza manaraby

Tsilaitra (mars 2010)

Hametraka hevitra

Midira aloha