You are here: home > Vetso

Safidy manadala - Tsilaitra

Safidy manadala tsy mba manana sahala
Raha toa ka sendra roa, izay andrian'ny fo
Zary ravina sy taho ny hoe "izy sa ianao"

Lainga tsara lahatra sy fitaka miavosa
no asetry faniriana zay tiana ho tontosa
Anafenana ny saina malemy sy kanosa
Ka tsy afaka isafidy, na ho mamy na mangidy

Ny Lokaloka sy ny dina, Voady, teny mamy
"ho anao irery ihany mandra-pialako eto an-tany"
Nofinofy angamba zany

Fo mandry an-driran'antsy sy tsy mahita ianteherana
Sasatra mitady marimarina itoerana
No indro tojo ilay mpampirafy lozan-tany
Aiza re no iafarany?

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

intime (27/12/2011 17:42:04)

Tena mampietsi-po zany rah tononkalo!

Hametraka hevitra

Midira aloha