You are here: home > Vetso

Tolona - Tsilaitra

Satria tolona ny etoana
Mitolona amin'ny taona
sy ny zava-maro hafa

sanatria ve tsy tsaroana
ny ady efa vita
sy ny maro hafa sisa?

Satria tolona ny fiainana
de sento sy taraina ve
no hameno ny maraina ?

Satria filoha nareo
de adinodino kely
Ny rano novinely?

TSILAITRA, 21 mai 2005

Hametraka hevitra

Midira aloha