Setrasetra-mpiainana (Tsitana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrasetra-piainana
Teny roa mangeja ny tsy vonona hitraka,
teny Mahalavo ireo voatsipaka sy voadaka,
ho tsy afaka hiarina intsony,
fa setrasetra-piainana hony.

Soa fa misy ihany ireo mino fa ao ambony:
Misy ray mahery,
mamomba sy mijery,
tsy miafina na miery,
mahita zay tsy rariny atao ety an-tany;
ary dia mbola izy ihany:
no andrasany maro ,
ho tonga mba hiaro ,
amin\'ny setrasetra-piainana.

Nefa ange ny fiainana eto an-tany:
tsy dia tia setrasetra,
fa mizara mamy hatrany,
ho an\'ny olona rehetra.

Na mahantra ianao na manana
raha mbola eto an-tany;
aza mora manadio tanana,
aza mora mitomany,
fa mitraka hatrany.

Dia izao no ataovy an-tsaina:
efa akaiky ilay maraina,
efa ela nandradraina,
tsy misy ny setrasetram-piainana,
tsy misy ny fanaitainana,
fa fitiavana ny fiainana.
--------
Rohy:
1331 0
Hevitra mandeha
bitaka ( 19/08/2004 11:59)
taiky soa fa nisy Ray Mpiaro fa raha tsy izany ny aza voany!
bichette ( 19/08/2004 13:34)
hisaorako indrindra ianao tsitana fa mampahery ny tononkalonao.
Soa fa nisy tokoa ilay Ray Mahery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsitana
Nampiditra : Tsitana
Daty : 19/08/2004 08:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107