Aiza no misy (...Tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA NO MI SY



Izaho mino marimarina
Fa any ho any izao misy,
Miezaka ny hiarina
tsy te- hiteny hoe indrisy.

Dia misy koa any ho any
Fo leo ny mitomany;
Fa nilaozan’olon-tiana
ka mitady fitsikiana.

Maninona raha mihaona !
Kanefa aiza ny fotoana ?

Aiza no misy ilay toeram-pahazavàna ?
Lavitry ny fisentoana sy fahadisoam- panantenana !
Aiza no misy ilay zaridainam-pifaliana ?
Hanjakan’ny fitia sy tsy haniriam-pahoriana !

Tapak’hevitra aho fa ho any,
Sao mba hitanao ny lalana mankany ?





…Tsoa,
20 oct 2004,Cachan. Fce
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
1788 2
Mpakafy: Malalason - vetsoko
Hevitra mandeha
Malalason ( 14/01/2005 08:21)
Voasoratrao ny Tanatara iainako ka dia ho any aho nefa, hmh ny lalana mankany aza tsy hitako akory dia aleoko mionona miandry ny rariny ty foko feno ratra
Malalason
NyKanto ( 14/01/2005 14:23)
Setriny : Ny Làlana Mankany

Mila kirim-paherezana iny lalana iny
Rako-tsilo sy mideza ka ialako tsiny
Nefa d’iny làlana iny, no tokana mankany
Amin’ilay tanàna tsy mba misy mitomany

Feno mpanakora any amoron-dàlana any
Sy mpamingana ary koa ireo mpanasohaso
Nefa d’iny làlana iny, no tokana mankany
Amin’ilay tanàna tsy mba misy ranomaso

Tsy mikodàna na malalaka iny làlana iny
Tsy làla-maitso lalandava fa tany efi-
Fa ety sady tery, ahatsiarova-manirery
Rakotra hevitra hampiato ary koa hamery

Tsy ho vitanao irery, f’ilàna fanampiana
Ny mamakivaky ireo saham-pahoriana
Tadiavo sy fantaro fa ho hitanao an-dalana
Ilay Namanao nilaza hoe: „Izaho no tena làlana ...”

Koa soava dia sy mahereza rahalahy
Ny finoana hazony hankahery ny fanahy
Tsy lavitra ny dia, tsy ho mafy ireo zioga
Ho avy ny hafaliana rehefa tena tonga.

Ny Kanto, Parisy, desambra 2004
NyKanto ( 14/01/2005 14:24)
janoary 2005 fa tsy desambra 2004
Malalason ( 15/01/2005 12:06)
andray zany hafaliako nahazo teny fampaherezana tsisy mampionona aza mionona mainka fa misy mpampionona saotr'e !
Malalason
vetsoko ( 15/01/2005 22:05)
misaotra an'i malalason mba ho namako @ iny lalana iny,dia fisaorana koa ho an'i Ny Kanto nanoro ahy ilay lalana
Miarantsoa ( 27/01/2005 18:06)
Ny ahy indray ry Malalason dia hoe :
misy mampionona aza tsy mionona
Mainka fa tsisy mpampionona ?
kalointsika ( 30/06/2008 09:01)
tu as vraiment parlé en connaissance de cause en ces temps là. tu avais raison. c'est bien
vetsoko ( 30/06/2008 11:42)
tu vois!je t'ai pas oublié,for kalointsika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : vetsoko
Daty : 11/01/2005 16:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147