Hafatra (...Tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza variana mitady izay lafatra
na koa iro hasambarana mety hiserana.
Izaho efa nahita manafatrafatra
fa tsy hisy mihintsy ny fanaperana.

...Tsoa
"Raha tiana ny ho sambtra dia ahenao ny faniriana"
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
2630 2
Mpakafy: Arimalala - vetsoko
Hevitra mandeha
vetsoko ( 07/12/2004 17:52)
mitadiava fifaliana @ izay hananan'ny tena
sonwin ( 07/12/2004 21:46)
Mora ny tenenina io fa sarotra tanterahina satria efa toetra raiki-tapisika ao anatin'ny olombelona ny mitady ny tsara kokoa hatrany. Raha mahita fifaliana amizay ananana moa ve ts izay no tsara indrindra e, kanefa hoy ny taolo hoe maivina ny tonta raha sendra vao, ka ny fanafodiny izany dia mihezaha mandrakariva manatsara ny eo am-pelatanana, dia kolokoloy tsara mba ho vaovao mandrakariva.
Miarantsoa ( 08/12/2004 17:22)
Ny ahy indray dia hoe : ao amin' i Tompo no misy ny hasambarana rehetra.
Sa ahoana hoy ianareo ?
vetsoko ( 08/12/2004 20:53)
marina daholo izany rehetra izany,
ny marina mantsy be dia be,miovaova araka izay niainan'ny tsirairay azy
misaotra antsika rehetra dia mirary antsika rehetra ahita ny soa
andriary ( 09/12/2004 14:23)
fohy tsotra mazava
hasiniony ( 24/12/2004 17:16)
Ny fahatanterahan'ny faniriana amiko no atao hoe "FAHASAMBARANA"
vetsoko ( 26/12/2004 23:12)
marina koa aloha izany e!
mymi ( 03/03/2011 11:29)
amiko indray ny fahasambarana de miaraka @ i Jesoa Kristy satria refa miarak@ny isika de tanteraka avokoa zay angatahintsika @ny ka mahasoa antsika.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : vetsoko
Daty : 07/12/2004 17:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014