TIAKO IANAO (...Tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa angamba vao manoratra
Ireto tanako manolatra
Dia efa fantatrao fohy fohy
Ny holazaiko ka henoy

Aoka anefa ianao tsy alahelo
Na ho tezitra sy hamelovelo
Raha toa ka adalako
Ny hiteny tsy hiato

Fa raha toa ianao kiriana
Dia ity tononkaloko aza ariana
Fa ity teniko androany
No teny tena mamy

Ka mety ho roa ny valin-teny
Hamaly tsia ianao na eny
Saino tsara fa aza taitra
Fa ny foko tsy mba maika

Raha ho tsia no hitanao
Dia tsy mampaninona f’izao
Aza adino fa ny foko
Dia hofaty hitoloko

Raha ho eny kosa indray
Dia tsoriko mandrakizay
Fa izay no tena ilaiko
Dia ho sambatra ny aiko

Fa izao tsy handidy
Na ho mamy na ho mangidy
No hatohoko ny vavako
Mba ho setry ny fitiavako

Ary izao no tadidio
F’izaho dia miandry anao foana
Nefa kosa mba valio
Satria, tena tiako ianao

Jean Claude 09.10.87
Anjanahary
--------
Rohy:
7701 3
Hevitra mandeha
R.T.J ( 20/04/2015 13:29)
fa tsara le T ononkalonao an
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : mamios
Daty : 21/02/2011 13:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098