Tsy nangalatra aho (Zo-Maminirina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nangalatra aho tsy akory
Fa sendra topi-maso
Nifanitsinitsy teo anilanao
Dia tsy ampy ... tsy ampy tory

Isika koa avy eo, niaraka badenina
Nitovitovy tempo ny fontsika roa.
Nilaozanao ny akaniny,
Saingy indro kely, ... ianao angaha nanenina?

Fa lasa ianao niverin-dalana!
Ianao koa izany mihitsy e!
Tsela-po toa lany fahana
Nefa soa aloha izay niarahana.

Tsy nangalatra aho tsy akory
fa isika no badenina
Tamin-tsela-topi-maso
Dia tsy ampy ... tsy ampy tory.

Zo-Maminirina
--------
Rohy:
1569 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hevitra mandeha
dadatsima ( 22/02/2012 22:43)
Mampatsiahy ilay hira hoe MOA ADISOAKO VE RAHA NIFANOJO NY MASONTSIKA? Asana henonareo iny hira iny na tsia
Zoom140268 ( 23/02/2012 08:33)
Dia ampiana ilay hiran'i Abel Andriarimalala manao hoe "Tsy maninona aho!Ianao no voafitaky ny eritreritrao!Izaho tsy mitalaho!Tsy ilaiko akory ny fiverenanao!"
zonia ( 13/03/2012 17:11)
Salama va!
Misaotra Zo a.
Efa somary niova kely ny fanoratraeo raha ny oharina t@ taona 90 tany ho any. Lasa fohifohy avokoa ny tononkalonareo izay vinaniko eto. Hasa, tsisy fotoana nohon'ny fanaovan-gazety angaha!?
Efa ela Zafy Reary no nitady Zo t@ ity site ity. Izy ity mantsy no any fialam-boliko aty @ famitana irika aty afrika be korontana aty. Mafy ny ady ity ; hany miverina indraindray ny aingam-panahy, dia ireo atolotr'i Zonia @ mpamaky tononkaloko ireo. Zary Reary ihany anie no Zonia.
Mila tononkira avy @nareo RaZo. @ mey 2012 aho no mody ka hanao zavatra matianina eo @ sehitry ny mozika ka mila mpanoratra afaka miara- miasa.
Ok. Vloma.
Zoom140268 ( 14/03/2012 09:03)
Salama e!
Zafy Reary?Ndriana ve sa iza moa?
Misaotra eeeeeeeeeee!
Dia tongava soa aty an-tanàna izany amin'ny volana mey!
Ok
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zo-Maminirina
Nampiditra : Zoom140268
Daty : 22/02/2012 11:00
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217