ILAY FIADANANA ATO ANATIKO (TSY RENDRIKA Spica)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny trondro kely iray
Izay efa milomano
Nefa manontany indray
"Aiza ho aiza moa ny rano?"
No nikatsahako anao
Tao anaty taona maro
Ka nandreraka ny aiko
Ry fiadanana lalaiko

Vola ohatrinona no laniko
Nividianana hafaliana
Saingy fohy ireo ora mamiko
Tonga indray ny hakiviana
Hery betsaka no veriko
Nanambazana fitiavana
Fa tsy nahasitrana ny feriko
Na ny namana na havana

Tena ketraka ny foko
Ary kivy ny fanahiko
Zary sento sy toloko
Saika hamaranako ny amiko

Kanjo tonga nampitraka
Ny mahantra ankiray
Ratsy akanjo,tsy mikapa
Sady mbola banga indray
Saika ahifiko ny tanany
Saingy nambabo ahy ny tsikiny
Ka nanaiky aho tantanany
Sy ampianariny mihitsy

Ekeko,hoy izy,izaho tsy manana
Saingy sambatra aoka izany
Satria mantsy ny fiadanana
Maimaim-poana eto an-tany
F'efa napetrak'Izy Ray tao anatin'ny fontsika
Ka miandry fikoloana,hafanana fa tsy hatsiaka
Fitia tsy fitaka sy tsiky,vavaka sy fahatsorana
Ireo no fanondrahana azy ho toy ny bozaka tratr'orana

TSY RENDRIKA Spica 18-10-2016
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1332 4
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 25/10/2016 07:23)
Tsara le kalo! rà ôtranao daôl zany n oll de tsis very anjara zany na rats na tsara! Bravo!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : MAMINTANTELY
Daty : 20/10/2016 04:57
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016