Ny... (tsyFeraNa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny fahombiazan'ny fitiavana
dia fifanekena fitambarana
ka ny fotoan iarahana
ifampizarana fahasambarana

ny fanirian'ny mpisakaiza
hiara isakelika ny adidy
hifanitsy,hifampitaiza
hiray saina,hiray safidy

ny hetahetan'olon_droa
dia ny haharitra hatramin'ny farany
dia ho toy ny lamban'akoho
ka ho faty no hisarahany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
930 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsyFeraNa
Nampiditra : tsyferana
Daty : 16/08/2014 15:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098