inty aho (valim-bavaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy adin-tsaina mafy
Inty aho,tantarao

Raha misy hetsim-po tsy tanty
Inty aho,mihaino anao

Raha mafy ny olana sedraina
Inty aho,vonon-kanampy

Raha reraka ny aina
Avia an-tratrako miantsampy

Raha misy nofinao tsy toa
Inty aho hanantanteraka

Hanome anao ny soa
Ho anilanao tsy mba ho reraka

Inty aho hizara fitia
Inty aho ho anao mandrakizay
Hifampitantana ho doria
Ny fontsika roa mitempo ho iray
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
834 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : valim-bavaka
Nampiditra : valim-bavaka
Daty : 01/08/2017 08:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142