Aza maika ny hitiaAza m (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza maika ny hitia

Aza maika ny hitia
Raha toa tsy vonon-kizaka
Na hoe tsy mahatanty, satria
Ny fitia anie mandratra

Tsy voatery mantsy ho fifaliana
Na ho fahasambarana tsy mety lany
Fa ao ihany koa ny hazo fijaliana
Izay mampahory, hitondra tomany

Aza maika ny hitia
Raha tsy vonon-kandefitra
Raha sanatria mbola malia
Sy mbola malemy hevitra

Sao mantsy ho folaka an-dantony
Ka ho faty tanora
Satria tsy nahafehy ny filantony
Izay tsy mba moramora

Koa aza mbola maika loatra
Raha mbola votsa saina
Mafy anie io, rehefa mipoaka
Ka sao hamoizan'aina

Fa tonio aloha ilay fitia
Dieny mbola matory
Sao kely izao sahady sanatria
Dia ho sakaizan-tsorisory
Ilay fitiavana malefaka
Sy mbola tsara petraka.

Vals Cristian

26 Juin 2017
--------
Rohy:
1487 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vals cristian
Nampiditra : miartiana
Daty : 15/05/2019 08:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101