Efa babonao (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana no misy ny fitiavako
Ary any aminao izy no nianrsampy ?
Mampirediredy ity vavako
Mampijaly ,mampitapy
Izany tokoa ve no adala e ?
Adala noho ilay fitia
lanao no tiako antsoina hoe malala
Sy ho tolorako fitia
Toa tsy haiko aloha ny tsy hamboraka
Ilay fitia izay ato anaty
Ny faniriako izay te hiantoraka
Ny tanako izay te hiantsampy
Mba hitantana ny tananao
Sy hangataka ampitoniana
Ilay fonao raha azo atao
Tsy an-tery ny ahy fa fiangavana
Ny masoko mantsy efa jambena
Tsy mahita intsony izay eo anoloako
Tsy mba ho kivy fa manantena
Miandry anao izato foko
Ny saiko tsy sasatra manjohy
Maminavina izay misy anao
Efa babo aho e, tsy mahafoy
Koa na inona n'inona atao
Dia ianao no tiako ho tazako
Ianao no tiako ho anilako
Ianao tsy afaka am-bavako
F'efa ventesiko ho silako
Babonao aho ,tena babo
Tsy afaka ny handa intsony
Ny saiko ary zary bado
Ka tsy mba afaka hampitony
llay afo miredareda
Misoko mandoro ato anaty
Ny vavako mirediredy
Mandeha ho azy toa tsy satry
Satria efa babo
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
2591 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096