Setrim-pitiavako (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana re no fahoriana
No mba nasetrinao ry fitiavako
Na ireo androm-pifaliana
Ireo teny mamy tao am-bavako
No lasa nangidy nohon'ny vahona
Tena mangidy ka tsy laitra
Toa nanamafy ireo rahona
Izay efa namela takaitra
F'angaha tsy misy ankoatr'izay e!
Mba fitoniana na fahasambarana
Mba hamono ilay afo mahamay
Tsy ahitana fitsaharana
Toa zary haizina mikitroka
Ho an'ny fiainako ianao hatreto
Fa toa tafiotra mahaditsoka
Sy mampitombo sentosento
Ny aretim-poko tsy hay lazaina
Ny rarin-tsaina eo ihany koa
Tsy misy hoe atoandro na maraina
Fa mitovy avokoa
Toa nanenina ihany aho izao
Tahaka izay tsy mbola nitia
Satria marary ny ao anatiko ao
Ny tenako toa mhamahia
Ny asanao moa tsy miova
Fa ny omaly ihany no anio
Tena mazoto milaza loza
Mandrivotra sy be tadio
izany no nomenao ahy
Fijaliana isanandro
Mampitombo ahiahy
Manakana ilay masoandro
Zay no fitiavako ankehitriny
Mankrary fo sy saina
Tsy mba toy ilay fahiny
Hoe hery vao ,vao maraina
vals Natiora
17-09-2016
--------
Rohy:
2774 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098