Fakam-panahy (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy haiko ny handresy
An'ity fakam-panahy
Fa mamely ahy misesy
Tena mampahory ahy
Niezaka ny manohitra aho
Saingy olona e,malemy
Ka tafatoetra anatiko ao
'Lay fanahy ratsy sy mahery
Tsy manan-kery intsony aho
Mba hanoherako ny didiny
Ka tsy haiko izay atao
Fa dia manaraka tsy fidiny
Mandrebireby ahy foana
Rehefa tsy misy ny atao
lndrindra fa amin'ny fotoana
Izay mahakamo anao
Toa lasa fanao matetika
Sady manjary tonga toetra
Tsindrina mafy mba hilentika
Fa vao maika aza mitoetra
vals Natiora
19-01-2014
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1711 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106