Feno anao (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako ho feno akia ny fiainako
Rehefa nifankatia isika
Toa foana ho azy ny tarainaiko
Fa niova ho tsara, feno tsiky
Diavolam-pitia no indro mamirapiratra
Ho taratry ny ho avy daholo ireny
Tsy andriko mihitsy izay hampihiratra
Ny masoko sy ny molotro hiteny
Fa efa feno anao ny foko
Ny saiko amam-panahy
Ilay voadintsika mbola tsaroako
Fa lavitry ny ahiahy
Ny tsikinao manome hery
Tsy mba foiko hisaraka amiko
Tsikim-pitia maha te hijery
Mampilamina ny ato anatiko
Tena feno akia ny fiainako
Tia anao loatra aho
Ianao no manala ny fahalainako
Faniriako ho ianao sy izaho
No hifankatia mandrakizay

Vals Natiora
01_07_16
--------
Rohy:
3319 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01