FITIA VOARARA Fiz 10 (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Tena menatra aho indraindray
Miaraka @Neny ka mifanena anao
Satria ampatsiahiviny ahy indray
Ireo fihetsika sy teninao
"Fa hono aho aki Niaina
Mba iza ary iny tovolahy iny?
Toa tsy mba mierika mba ho arabaina "
Asa ,angamba hoy aho ,mbola vahiny !
Toa akon'ny fihomezana i Neny
Mahatsiaro ahy ilay nitomany
Izaho moa tsy mba niteny
Fa tsy te hamerina izany
Ny azy ireny toa fandrangitana
Aniany efa ho lava
Toa manosika ahy hamitrana
Ilay fitiavanay efa rava
Vao maika aza mampirehitra
Lay afom pitiavako natory
Ka nony injay fa midorehitra
Dia mampijaly ,mampahory
Tiako havoaka ,nefa manahy aho
Sao mantsy hanmba fo
Ka hilaza ho :"lnay aho
Tsy namoha ty ratram po"
lndray andro anefa tsy nampoziko
Niangavy ianao mba hanatitra ahy
Niaraka isika ,ary hitan ny zokiko
Saingy izy aloha tsy nibedy ahy
lny alina iny indray
No nahitako fahasambarana
llay niverenantsika indray
Tao anatin'ny fitiavana...
Mbola hitohy ...
vals Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1018 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1377