FITIA VOARARA Fiz 2 (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)
"Izay e ! Apetrako aminao ny safidy
Koa mba saino tsara ihany
Hitia ahy ve ka hizaka ny mangidy ?
Feno fijaliana sy tsy hilaozana tomany
Veloma ny malalako ! "
Izay no hany ventsom poko
Natolotro ho azy teo
Ka tsy nisy afa tsy toloko
Gina ela mihitsy toa tsy nahaloa-peo
Tsy andriko mihitsy ny handray
Izay mety ho valin-teniny
Inona ary no ho lazainy indray
Toa tsy nahatombina aho fa mipenipenina
** Niaina a ,tsy omeko tsiny ianao
Noho ireo izay rehetra niseho
Ekeko ,mety ho diso ianao
Saingy ny zava-misy aloha hatreo
Ianao no mba efa tiako
Ka sarotra ho ahy ny tsy hitia
Ianao no nofidiko
Ka tsy matahotra aho akia
Fa inty aho ,hitia anao
Na dia hizaka ny mangidy
Vonona aho hatramin'izao
Satria ianao no efa safidin'
Ity foko adala
Izay tsy mahalala hoe VOARARA
(...)
Dia nitohy ary ny fiarahana
Fa somary nangingina
Raha tsy nisy ny fianarana
Dia tsy misy fitsikina
Kanjo ny asabotsy taorian' iny
Dia inona ary no niseho
'lay izaho sy ianao niaraka iny...
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1084 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149