FITIA VOARARA Fiz9 (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" Etsy horohako farany
Ny molotrao ry malalako"
lzay no teny hany nambarany
Namihina mafy ireto tanako

*Veloma ianao* no teniko
Dia mitraka fa lehilahy
lndro mbola haverimberiko
*TIAKO IANAO *fa aza manahy
Misaotra akia ,hoy ianao
Veloma ,aza manadino
Na dia hisaraka aza izao
Tsy kivy aho fa mbola mino
Fa tsy maintsy hitohy ny amintsika
lndray andro any aoriana any
Raha anjara dia mifankahita
Raha mbola tany koa ny tany
...
Dia lasa ianao ,niondrika tsy avy atrany
Toa tsy sahy nierika na hijery akory
Vao dify anefa ,dia injao fa reko nitomany
Tena mankarary fo, vao koa toa mampahory.

Tena rava tokoa mantsy
llay fitiavantsika roa
Ka tena ila tsy ho tanty
Ilay ratra nandrotika ity fo
Nandeha ary ny fotoana
Samy niezaka nitia mangina
Nefa toa fahoriana, fijaliana
No indro tsapa sy tsaroana
Eh! Mpinamana hono sisa
Saingy tsy afaka miresaka
Isak'alina aho mamisavisa
Manofy anao ,tena im-betsaka
--------
Rohy:
Sokajy : fisarahana
2235 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hevitra mandeha
randra92b ( 27/07/2016 04:03)
tsara be eu!! fa mba tohizo ataovy tsara le farany fa mampalahelo be
miartiana ( 31/07/2016 15:35)
misaotra anao namaky sy nankafy e ! Aza manahy fa tsara ny tohiny ka , saingy ny fiafarany no efa azo vinavinaina sy fantarina @ny alalan'ny lohateny
angamba .Mankasitraka ee!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145