FITIA VORARARA Fiz8 (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nilaina:
""Azafady akia ,hoy ianao
Nandray moramora izato tanako
Fafao ny ranomasonao
F'izao akia vao tena tsapako
Tena tia ahy ianao
Saingy tsy afaka manoatra
Ka ny ranomasonao
No milaza ilay fitia te hisendoatra""
Latsa-dranomaso avokoa
Ka tsy hita intsony zay hampangiana
Teo vao tsapanay tokoa
Ny lanjan'ilay olon tiana
Mosoara tokana ihany
No mba nifandimbiasantsika
Namafana ilay tomany
Tsy menatra akory izay nahita
Samy nalaina ny hifandao
Sy hiala ao am-pianarana
Na dia efa hod aza izao
Satria hirava ny fianarana
Fotoana iray tena mangidy
Ho ahy sy ianao ity
Satria voasakana ilay safidy
Mba hiara-dia sy hifankatia
Toa samy tsy nisy niasa saina
Tamin'ny fianarana mihitsy
Fa efa manomboka miferinaina
Rahoviana indray vao mba hitsiky ?
Eh! Tsy maintsy ho faranana moa
llay fitiavantsika hatrizay
Ka hizara ireto fo
Nihevi-tena mba ho iray
Niaina:
** Nilaina a ,andao @zay isika roa hody
Fa efa tonga ilay fotoana
Ho bedy aho raha tsy tafody
Sy miditra ny trano ara-potoana**
--------
Rohy:
Sokajy : fisarahana
908 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158