Hitia aho (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho ataoko ahoana ny tsy hitia
Rehefa izay no antom-pisiako
Toa tsy ho vitako izany satria
Mba ho tiaviana ihany koa no faniriako
Matoa aho mantsy nisy teto an-tany
Zavatra tokana no antony
Dia ilay fitiavana izany
Ary samy manana ny hankatony
Io no mba hahafantarana
Fa hoe mbola miaina isika ety
Koa na inona na inona fisoparana
Dia tsy hitsahatra aho hitia
Tsy ilay fitia ateraky ny vola
Na hoe zavatra hafa izay mandalo
Ka hoe avy eo hiala moramora
Hitsangana ho fahavalo
Fa hitia aho amin'ny fanahy sy saina
Indrindra indrindra @ foko
Mba hampisaiva indray ilay maraina
Ho an'ireo malahelo sy toloko
Hiezaka hizara tsiky sy hafaliana
Hanampy izay torotoro fo
Mba hampisindainy ny hakiviana
Ary hikatsahany ny soa
Koa hitia aho ,eny hitia...
--------
Rohy:
2316 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116