You are here: home > Vetso

Hitia anao - vals Natiora

Hitia anao aho
Eny, tsy hitsahatra ny hitia
Na dia tsy mba jinerinao
Ilay fitiavako satria
   Tsy  hananako mantsy ny hatsarana e
   Indrindra fa ny bika sy ny endrika
   Mbola trotrahin'ilay fahantrana
   Ka ataoko angamba aho fa tsy mendrika
Ny mba ho tiavinao akory
Na hoe hiara-dalana aminao
Saingy, tsy mahalala izay sorisory
Satria aho toa babonao
   Toa manantena ny tsy misy
   Sy fahagagana tsy ho tanteraka
   Satria na ianao aza indrisy
   Toa efa handeha hikopak'elatra
Eny e, na izany aza no efa itako
Tsy ampy ahasakana ahy tsy hitia
Fa hiezaka aho, anao izay vitako
Tsy ho kivy aho fa mbola hitia
    Raha mbola mitempo ihany koa ny foko
   Na ho mangidy zany na ho mamy
   Na ho ranomaso sy ho toloko
   No mety hiainako eto an-tany
Dia hitia aho, hitia anao

    Vals Natiora 06_ 06_ 2017

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha