Im-piry (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa im-piry moa izy
No nizaka ny mangidy
Noho ny hetraketrakao
Tsy nitsahatra niafy
Niaritra, nijaly mafy
Satria voahitsakitsakao
Im-piry izy nitomany
Fa niezaka nijoro hatrany
Tsy nijanona nitia
Saingy ianao ninia marenina
Tsy mba azony tenenina
Fa vao maika aza nania
Mba efa im-piry izy naniry
Efa niezaka, nikiry
Nanarina anao raha sendra lavo
Fa ianao kosa no tsy nety
Tsy nanaiky ny hietry
Fa mafy loha, miazoazo
Nilefitra izy im-piry moa
Tsy mba nandà fa nankato
Ny didinao tamim-pitoniana
Dia nohararaotinao izany
Hanaovana ny ditra hatrany
Satria izy efa nangina
Koa aza omena tsiny izy
Raha toa ka nisafidy
Ny hanasa tanana aminao
Tsy fahadisoany ny miala
Miova sady mankahala
Rehefa tofoka sy lao
Satria im-piry izy nanitsy
Saingy zava-poana indrisy
Ka naleony aloha nandao
Hisintaka ny disadisa
Hibanjina ny paradisa
Anaty fiainam-baovao

Vals Natiora
24/04/2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1980 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099