Misaotra anao (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lreo lokaloka hatrizay
Hoe hiara dia isika sy hitambatra ho iray
Ireo voady natao dia samy voahitsaka
Satria lasa ianao nandao, nahavita namitaka
Ny nofinofy anefa lasa dia lasa
Toy ireny tsy ho faty ireny mihitsy
Kanjo, foana ho azy teo rehefa iny ianao no lasa
Nanadino ilay tsy mba nahafoy mihitsy
Eto aho androany dia misaotra anao
Nahavita nandao sy nanadino ahy
Na mangidy aza no mba navelanao
Dia misaotra anao akia namitaka ahy
Any ianao any ,mety tsy mahatsiaro intsony
llay olona tsy nitia afa tsy ianao
Tsy haiko aloha raha mbola hitony
llay ratram po navelanao
'lay toerako moa natakalonao
Ka tomany aho satria voahitsaka
Tsy hiantso tody anefa aho
Fa mbola hisaotra anao ihany namitaka
Fa na alahelo toy inona aza
No mandrotika ny foko
Na tsy hisy andro mihiratra aza
Fa ranomaso sy toloko
Dia tsy haiko ny tsy hisaotra
Noho ireo vitantsika hatrizay
Mirary soa ,misaotra anao
Namitaka ,hoy lay tokam po mandrakizay
...
Vals Natiora
16-12-15
--------
Rohy:
Sokajy : alahelo
1713 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0431