Miverena (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivezivezy any ny saiko
Mande mitady anao ilay tiako
Nefa ianao izao any tsy haiko
Raha mba matsiaro ilay faniriako

Sasatra aho no manofy antsika
Mamerina izay natao
Indrisy mantsy fa nofy sisa
Satria ianao efa nandao
Aty aho ,mitomany lava
Miantso mafy ny anaranao
Fa malahelo lalandava
Ilay tia nefa nilaozanao

Mba miverena re ry lala
Ka mba sitrano ity foko adala
Tsy mety manadino anao
Ary tsy te hitia hafa ankoatra anao

Mitamberina ireo lasantsika
Tena efa maro ,tsy ho voatanisa
Tsy hay adinoina fa toa mitamberina
Ny hany fanafody dia ianao no miverina
Koa amin izay vao mety ho adinoko
'reo fahoriana isanandro
Raha manantona ianao ho fihiniko
F'inty aho mbola miandry

Ilay fiverenanao
Mba hamerina ireo taloha
Miandry aho ,miandry anao
Raha anjara ny antsika roa
...
Vals Natiora 27 /12 /15
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1419 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159