You are here: home > Vetso

Nilaozan' olon-tiana - vals cristian

Toa zary irery sy malaina
Rehefa ilaozan'olon-tiana
Toy ny vonin-kazo an-tany maina
Mitomany tsy misy mampangina
  Fahoriana tsy hay lazaina
  Mangidy mafy sy mafaitra
  Nefa tsy mba afaka hitaraina
  Fa mitoetra ilay takaitra
Tena mafy raha samy mafy e
Mavesatra noho ny fahoriana
Nefa dia voatery miafy
Rehefa ilaozan'oln-tiana
  Ny zavatra tena tsy ho zaka
  Dia ny mandre fa sambatra izy
  Miala nenina ianao fa latsa-paka
  Saingy, ny fony hono efa mihidy
Ataoko angambafa fantatrao
Fa tsy manadino ny olona tena tia
Fa mitoetra ao an-tsainy ao
Ary miverina foana ho doria
  lreo fifaliana niainanao
  Ireo sangisangy etsetra etsetra
  Ka rehefa lasa izy nandao
  Dia lasa fahoriana tsy manam-petra
Tena sarotra kosehina
Ireo fahasambarana sy fiafiana
Ary koa sarotra hafenina
Ny ilaozan'olon-tiana
  Fa hita misoritra amin'ny endrika
  Ilay fo sy saina tena ory
  Voadona mafy ka efa ho rendrika
  Toa tsy ilaozan-tsorisory
     Rehefa ilaozan'olon-tiana
.....05-12-16.....
     Vals Natiora

Hametraka hevitra

Midira aloha