Ny fitiavako azy (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavako azy ve?
No tianao ho fantarina
Tiako izy ,izay fotsiny
Izay aloha no tena marina
Tiako izy ,ary tsy foiko
Na maro aza ireo tsy tia
Izy irery ihany ,tsy ho soloiko
Fa ho tiaviko ho doria
Tena betsaka ireo mpankahala
Sy manenjika anay roa
Tsy kivy anefa aho ,na hiala
Fa mbola hanamafy ireto fo
Tiako izy ,toy ny tenako
Amin'ny maha olombelona azy
Ny fahadisoany aloha tsy ferako
Satria izaho koa anie mba toa azy e
Tsy lavorary fa malemy
Satria mitafy nofo aman-dra
Tsy maninona anefa ireny
Rehefa fantatro izy fa tia ahy
Raha ny fitiavako azy
Dia ilay fitia tena fitia
Fitiavana tsy vazivazy
Fa fitiavana ho doria
Mifandefitra sy mifanohana
Tsy manao tsindrio fa lavo
Mifanarina raha tafintohina
Fitiavana mifankahazo
Raha ny fitiavako azy
Toa tsy voatanisako eto
Fa ny hahasambatra azy
ho lavitry sentosento
No hany tanjoko hatrizay
Ary tsy miova hatramin'izao
Fitiavana mandrakizay
No efa mitoetra anatiko ao
vals Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2120 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099