Ry androko (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
0 ry androko lasa
Moa ve azoko atao
Ny hanohy ireo kinasa
Raha toa aho hitalaho ?
Toa tsy ho vitako mantsy
Ny hanadino vetivety
Niezaka aho mba niafy
Kanefa tsy mety
Ho voafafako ianao
O ry androko omaly
Mba meteza re hiverina
Fa ory aho izao,tena mijaly
Raha vao mitamberina
lreo momba anao
Tsy haiko intsony ny hamono
Izay rehetra ato an-tsaiko
F'efa tsy mahajoro
Satria mihatra amin'aiko
Ity fijaliana
Efa lasa ianao nilefa
Nanadino lay akany
Dia ho sanatria ve ho diso fiantefa
Ilay faniriako tamin'izany
Ka ho fangirifiriana
O ry androko anio
Metreza moa hiova e
Aoka mba tsy ho tadio
Ka ho zary loza
Hampitondra tomany
O ry androko ho avy
Enga anie mba ho tsara
Mitalaho aminao aho ,tena miangavy
Dieny mbola tsy tara
Mba asio fitsaharana
Koa amin'izay ireo fahoriana
Izay hiaretako amin'izao
Mba ho tonga fifaliana
Sy fiainam-baovao
Sady ho feno fahasambarana

vals Natiora
13-06-2016
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1417 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141