Tia aho (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia anao re aho
lnoako fa efa fantatrao
Koa miangavy aho, mitalaho
Mba aok'izay ilay hitsakao
Hatrizay aho mantsy nankato
Tsy mba naneho izay hevitro
Na efa ho potika aza ity fo
Dia tsy nolaviko fa teliko
Izay safidinao rehetra
Tsy reraka aho ny milefitra
Fitiavan-tena sy herisetra
No namatotra ahy mba tsy hietsika
Ekeko e, tia aho
Tsy mahare intsony hoe voadona
Fa na dia zavatra tsy atao
Dia izaho no tsy maintsy hifona
Raha any mantsy ianao no tezitra
Dia izaho no hifatrarany
Tena manindry ny foko mba hilentika
Tsy mba hahita izay fahasambarana
Tia aho, tsy afeniko
Ka ho vitaiko ny adidiko
Ataoko angamba fa tsy ho neniko
Rehefa izay no safidiko
Tia aho ka vonon-kizaka
lzay ho ngidin'ny fitiavako
Izy mantsy efa latsa-paka
Ka tsy ho afaka ato am-bavako
Aleoko ho zakaiko am-pifaliana
Izay onjan'ny fitia
Koa na ho tototry ny fijaliana
Dia tsy hiantso tody aho satria
TIA AHO
vals Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
2537 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144