Tsiniko (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety ho tsinko ve ?
Raha toa mitia mangina
Sy minia tsy mahare
llay feo milaza fa tsy tiana
Fa misisika hatrany
Na dia efa ampahoriana
Tsy mety ho tapitra tomany
Nefa mbola hiafiana
Mety ho tsiniko angamba
Ny manda ilay anjara
Satria ny masoko efa jamba
Ka tsy mahatsinjo ny ao afara
Fa toa sondriana mampahory
Sy mampijaly fotsiny ny tenako
Nefa ianao tsy tia akory
Ka mety tena hanenenako
Eny e! ho tsiniko tokoa
Ny manaiky ny faniriko
Tena mety handratra fo
Sy ampihombo indray lay fahoriako
Izany tanjoko izany
Nefa toa tsy haiko izay atao
Tsy mino aho hoe any ho any
No hisy ilay asolo anao
Fa efa kivy vala ketraka
Mitia olona handratra fotsiny
Efa ataony mipetrapetraka
Lazainy hoe tsy misy fotony
Nefa tsy mahatsiaro te akory
Na hiezaka hamono
llay fitia izay nampahory
Fa mbola sahy hijoro hono
Ekeko anefa fa adisoako
Tena tsiniko izany
Ny nahatonga ahy hitoloko
Dia noho ny nataoko ihany
....
Vals Natiora
13-06-16
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1304 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152