Tsy misy (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka aho hatrizay ,nitady hafa vaovao
Hijery olona iray ,hasolo ny toeranao
Indrisy mantsy fa zava-poana
Tsy nisy vokany avoko
Fa toa fandaniam-potoana
Mahatonga aretin-doha
Voatetiko daholo ,ireo toerana tsy fahitako
Kanefa ilay olona hahasolo ,ny toeranao mbola tsy hitako
Nivezivezy hatraiza hatraiza
Miady saina samirery
'Lay tia ,nilaozan-tsakaiza
Marary mafy satria very
Ilay olon-tokana
Hany tokana mba tiany
Efa nofidiany manokana
Mba ilazany ny faniriany
Tsy misy aloha hatramin'izao
llay olona mba hahasolo
Sy ahavita ny vitanao
Amin'ny olon'ny tontolo
Satria izay olona nanolo
Toa namela aretim-po
Ny fiainako tontolo
No efa simbany avokoa
Namotika aza no nataony
Fa tsy hitsabo akory
Toy izany ny fanaony
Ka mahatonga sorisory
Afanenina aho ankehitriny
Fa tsy misy mahasolo anao
Raha hamerina ireo fahiny
Sy hanova fiainam-baovao
Fa ianao irery ihany
No olon-tokana ahavita
Ny toeranao dia eto ihany
Tsy misy hahasolo na havita
Hikosoka ireo lasantsika
Fa ianao irery ihany
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1173 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146