Ventsom-poko (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lsan'andro dia toloko
No manjo ity foko ory
Mihitatra ilay ratram poko
Ka mahatonga ahy tsy hatory

Fa tototry ny adin tsaina
Rakotry ny ranomaso
Nefa tsy afaka ny hitaraina
Noho ireo mpanao ankaso

Ho aiza moa aho ?
Ary iza no hitarainako
Tomany aho fa voafotakao
Koa tena simba ny fiainako

lza intsony no mba hihaona ?
'ty ventsom poko mitaraina,
Rahoviana no hisava
Sy ho tonga ny maraina ?

Mety nofy angamba sisa
Raha toa ka hisy izany
Fa tsy afaka ny amisavisa
Ny ho tapitra tomany
Ny fitiavako
Sy ny foko voaratranao
Tena vahotra ny vavako
Rehefa nilaozanao
Tsy nahitana tsiky firy
Fa vahobahotra aok'izany
Ka mbola ho ela ao hItsiry
Sy ho foana ity tomany
Ilay vonin kazon'ny fitia
Efa nosimbainao
Koa ity ventsom poko ity
Dia atolotro ho anao
Ventsom po sendra nandalo
Sy niserana ihany
Ianao 'lay tiako andray ahy ho fahavalo
Sy mba ho fara tomany
Amafako ilay ratra
Navelanao mba ho ahy
Fay aho fa voa sy tratra
MISAOTRA ANAO NAMITAKA AHY

Vals Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : alahelo
1287 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134