Ady (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiady ialahy anio ry zandry
ka avokony izato sandry
amafiso koa ny loha
fa hanomboka tokoa
ny ady mafin'ito tany...

Dia hiady ialahy izany
ka indreto ny apinga
isalory raha hamindra
ho any an-tanim-piadiana
izato tenan'ialahy...

Aoka aloha ialahy ho sahy
hanatrika ny haratsiana
sy ny habibian'ny fahavalo
efa zatra fihantsiana
sy sondriana mampimalo
ireo mikiry hanohitra azy!

Aoka koa ialahy ry zandry
handavo irony sotasota
fiadiana mahaosa
nampiasainy hatramin'izay!

Aoka letsy ialahy hahay
hahalala misimisy
ny fahavalo tsy mitsitsy
sy efa zatra fandrobana
ka tamana dia tamana
mampahory ireo mivena
efa tena mahonena
sy misaly fijaliana!

Aza mety mba mangina
amin'ny ady izay hafana
f'efa hatrany am-piandohana
no nazava tami'lah
fa ny fiainana dia tolona
ny mpiady dia ny olona
ka ialahy 'zay velon'aina
manangona herin-tsaina
herim-po sy vovok'aina
hanamontsamontsana azy!

Tsarovy anefa fa ny ady
tsy maintsy hefain'lah mialoha
dia ady amin'ny tena aloha
ary io no nahavoa
ireo mpitolona hatrizay
fa tsy mba niolomay
hanafoana fanirina
fa sondriana dia sondriana
nampifalifaly tena
fa namono ny fanahy...!

Ka tsy maintsy hiady ialahy
irariana indrindra lahy
mba handresy ny hakiviana
ary hijinja fifaliana
eto an-tany fiadiana!



Vanjanofy
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1671 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153