You are here: home > Vetso

Lalànave?kanefa hoy aho - Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona

Lalàna ve?kanefa  hoy aho

Kanefa  iza  no misahana, manara-maso izany?

ary tombon-tsoan'   iza no arovana amin'ireny?

Ny lalàna  raha  misy   dia  tsarovy hatrany

Fa tsy natao ho an'ny kely tsy mahazo miteny



Rehefa  mandeha  itony atao hoe  reportazy

Dia  sahinao ve  ny milaza  fa voaaro ny zo?

Ny mpiasa?karama iray volana 30 euros no mba  azy

Vidin'akanjo mihoatra  lavitra, tsy to!



Aoka  re  Ramalagasy ny fitatàtatatàna hoe  tsy mety

Fa  aleo hatambatra  ny hery   hiarahantsika

Mamboly,mamokatra,ireo tanety

Izay lazaina, fa miboridana ,mangatsiaka.



Jereo ange  ny paikan'ny lafrantsa

Mody manasa  ilay filoha  sinoa,ao Parisy

Hiara hifaly anao fety, nefa tena  antsantsa  

Ny azy no ataony tonga aloha,ny hirigirika  ataony tsy misy.



Lazaina fa mpanao   osoka ny sinoa e!

Nefa  ny orinasany no asisika  hatrany

Hameno ilay marché  ngozabe

ny karama  amin'izany  ambany dia  ambany  



Dradradradraina  isan-taona  ny  hoe  zo

Nefa  ny ataony tsy hitany akory

Ny vola , ny vola  no atao am-po

Ka  ilay manana ange  tsy ho havan'ilay  ory.



Kanefa isika  raha  mitady ny fahafahana

Eo anivon'izao tontolo izao

Mikatsaka ilay marimaritra iarahana

Tsy ho vita  mora , fa  hadino eo ianao



Mifankahereza  Ramalagasy mpiray tanindrazana

Fa ny ahiahy hono tsy hiavanana

Ka  mba isian'ny marimaritra iarahana

Dia  tano ny azo, hiasa  ampahalalahana


Vaoarilala Andriantsifanetra
Rakotoarijaona




Sokajy : Tanindrazana

Mombamomba

Mpanoratra : Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona

Nampiditra : nofinofy
Daty : 27/01/2004
Mpamangy : 1276
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ry Madagasikarako
Iza moa ianao?
Ry mpampianatra ô
Mitady namana

Hametraka hevitra

Midira aloha