You are here: home > Vetso

Mitady namana - Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona

tsy mitsikera  ny  safidinao aho raha  manoratra   ity tononkalo ity, fa  velom-panontaniana: fitiavana  sa  lamaody?


Mitady namana


Ny fahoriana hono ry lahy mahazaka  maniraka
Ka manararaotra  tokoa  ireo izay be mpamitaka
Mba hialana   amin’ity atao hoe  tsy fisiana
Hamidy ny tanindrazana dia  mitsaoka mangina

Ny sasany kosa  dia  tena  lasa  lavitra ny sainy
Ka mpanelanelana  na  mpanera  mpivady no hainy
Dia  io mihintsy no ataony anton’asa  fivelomana
Hisarihana  ireo izay mikatsaka leo fitolomana


Katalaogy  iray no sendra tazako tany ho any
Ka  nahafinaritra ahy ireo  takelaka  feno modely
Fa  raha sendra  ilay telo farany aho izany
Dia tena  gaga amin’ireto manao vazaha toa anjely

Fa  ny tena  nahatalanjona sy mampiteny ny moana
Dia  ity vehivavy iray vatombatony ihany raha ny taona
Toa  vonona  tanteraka  toa  tsy misy ahiahy
Nefa koa dia  mihaotra sao sembana  rahalehilahy

Dia nozahako ilay pejy, nalalaliniko, ka zendana aho
Manonofy tokoa  ve  , sa mba  kilalao sy sangisangy
Ka  raha ny fanisako dia folo, roapolo ny  malagasy tao
Rehefa  zohina ilay izy dia  tsy mba  vandivandy

Tsy sanatria  mitsaratsara  na  mitsikera izay atao
Fa ilay hery nanentana  no mampieritreritra  kely
Ny fiainana ve, samia  manao izay tiany  atao
Fa  aza  heverinao fa  any ivelany tsy misy afa  tsy tantely

Ao tokoa  ny sendra  ilay volamena ,  vatosoa
Voatondraka  hatramin’ireo mpiray –tampo
Ka  voakolokolo tsara toa voninkazo manitra
Ka  inona  no lazaina moa ve  tsy mahafinaritra

Fa  maromaro ihany ireo izay naniry fiadanana
Ka misavorovoro na  fanahy na  saina, ka mitaraina
Satria  ilay nantenaina  fa  ho namana  fitiavana
Dia  tena  goaika sy biby tokoa  ka  zary toa  nangaina

Ka akory atao nilaozana  ilay akany niavina
Dia  voatery misotro rano mangidy   tsy tiana
Dia  tsy maintsy mihezaka mampahery tena  mangina
Sa izay ilay hoe, ny nenina tsy aloha  fa aoriana

Ny any azonao atao raha, sendra ilay ratsy ianao
Dia hanaro ireo zandrinao na malagasy toa anao
Mba tsy ho azon’ny nofinofy hoe paradisa
Kay ilay tany nohevina ho soa mahafeno disadisa

Eny tokoa ,ankoso-bolamena,mamiratra jerena
Noheverina kanto sy soa ilay firenena
Kanjo ilay sary mahafinaritra anaty boky
Dia natao fotsiny mba hanomezan- toky

Raha  ny  tena  marina , faniriana tsy takatry ny vintana
Ilay sary paradisa , fiainana , fiadanana feno kintana
Dia  tsy natao ho an’ny  sarambabem-bahoaka
Sainga rehefa roso lalina dia aleo tsy milaoka

Sao varivarian’ny lavitra ka manary ny efa nihary
Ny safidy  ange tsy an’olo fa an-janahary
Izay ve no heverina fa hahasoa ny ho avy
Ka nahoana  no tsy maintsy  misara-mianakavy

Hevitra mandeha

Anjoroma (27/01/2013 06:42:19)


Lalina loatra ity tononkalo ity, satria betsaka tokoa ny zavatra efa tsapan'ny mpanoratra nefa nozakainy izany, tsy ampiambahamba !

Feli

Hametraka hevitra

Midira aloha