You are here: home > Vetso

Ry Madagasikarako - Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona

Ry Madagasikarako!

Miarahaba no voalohanteny,
Fa tonga  ity ny  Asaramanitra
Ka  ny mba faniriana  ombieny
Dia  ny  fitahian'Andriamanitra

Fanambinana sy fahasoavana
Filaminana anatin'ny fifankatiavana
Ka  mba  ho latsampaka amin'ny tsirairay
Ilay Madagasikara  Iray

Fahamarinana no ampinga
hiarovantsika ny tanindrazana
Fandalinana no tena bala
hitandroana ny fihavanana

Fandrosoana?kabary fohy arahin'asa
Izay ihany ny antsika Ramalagasy
ka todio re izay ratsy lasa
Ario, aleveno any   Ra basy

Madagasikara  sambatra!
Izay ny tanjona sa ahoana?
Fitandroana ny zo mahamalagasy
Aoka  ho raikitra anaty taratasy.

Vaoarilala ANDRIANTSIFANETRA
RAKOTOARIJAONA

Sokajy : Tanindrazana

Mombamomba

Mpanoratra : Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona

Nampiditra : nofinofy
Daty : 27/01/2004
Mpamangy : 2565
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Lalànave?kanefa hoy aho
Iza moa ianao?
Ry mpampianatra ô
Mitady namana

Hevitra mandeha

fxandriant (15/03/2011 13:52:48)


Anisan'ny vetsovetso mifanaraka indrindra @ny vanin'andro iainantsika Gasy ankehitriny ny tononkalo nosoratan'i Vaoarilala. Mankasitraka.

Féli

Hametraka hevitra

Midira aloha