Tononkalo (Ventso)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo iray
Dia ampy hampifandray
Ireo mifampiavona

Tononkalo monja
Dia ampy hampanonja
Ny tsiahy efa miravona

Tononkalo ihany
Dia mety hampitomany
Ity maso efa manjavona

Tononkalo fotsiny
Dia ampy hampihontsona
Ny rindrina mikatona

Tononkalo kely
Dia ampy hampiely
Ny alokao manakona

Tononkalo vitsy
no hampifanandrify
Ireo hevitra nihantona

Ary tononkalo tsotra
Dia ampy hampizotra
Fo roa hifanatona


02/12/18 00:30
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Aingam-panahy
1383 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ventso
Nampiditra : NiainaHasina
Daty : 25/01/2019 19:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015