MIANARA (Verokely Fianaroise)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mianara raha tia ho tafita
Indrindra raha tia ho any am-pita
Ny fianarana no lova tena tsara
Ho an'ny zanaka amam-para

Mianara dieny mbola misy mpiantoka
Ianao amin'zay tsy ho faty antoka
Ny tsy misy mpiahy efa tena tsy fidiny
Ka voatery tsy maintsy milanja ny ngidiny

Mianara ary aza mba malaina
Ka dieny izao dia ataovy ao an-tsaina
Fa rehefa mazoto tsy ho afaka intsony
Koa noho izany ny hakamoana dia ajanony

Mianara hatrany ary aza mba variana
ialao ny rendrarendra sy izay mahasondriana
Ny fahaizana irery no harena tsy lany
Satria tena miantoka ny ho avinao izany.


Mianarana aza kivy ary ny tanjona tratrarina
Fa ianao tsy ho very fa tsy mainty ho tafarina
Hafa ihany ny mahay sy mandia fianarana
Ataovy ao am-po ity mba ho anatra sy fananarana
--------
Rohy:
1947 0
Hevitra mandeha
hjravs ( 27/04/2015 05:31)
Antsay e, tiako be ny rima sy ny molotry ny mpanoratra
andry 1000 ( 27/04/2015 05:33)
tsotra sy tsara le tononkalo ohatr'izay koa 'zao le mpanoratra e! sady..alefaso ndray ny tonokalonao manaraka e!
fenohasimpitia ( 27/04/2015 06:51)
Eo r'zalĂ  de mikalo n hakantonao s n molotrao eo! hi! hi! hi! hi!
verokely Fianaroise ( 06/05/2015 19:51)
Misaotra anareo dia mankasitraka ihany koa :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Verokely Fianaroise
Nampiditra : verokely Fianaroise
Daty : 22/01/2015 13:20
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014