ny fianarana (verokely)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fianarana Razandriko izany
Tsy hoe kilalao mahavariana
Fa mila herim-po tsy roa aman-tany
Indraindray aza hitomaniana

Kanefa indraindray mba mahafinaritra
Indrindra ianao fa rera-dahasa
Raha sendra vakansy maharitraritra
Dia satry hianatra fa tena tsy lasa

Handresy ianao fa aza kivy
Aza kamo, milofosa, hefao ny adidy
Handresentsika ireo mpanaboto
Satria tsisy mafy tsy laitry ny zoto
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
3491 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : verokely
Nampiditra : verolove
Daty : 13/11/2007 13:32
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134