TSY NENIKO (verokely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hangina aho ka tsy hiteny intsony
Kanefa ho'aho misaotra anao ry Vony
Noho ny fihetsika izay nasehonao ahy
Fa manohina ny fo nampisento ny fanahy

Tsy haiko ny hangina tsy hisaotra noho izany
Satria ianao tiana dia nitsotra avy hatrany
Manana ny fo madio sy fitia tena marina
Hany katsahiko eto an-tany ka tsy haiko sarahina

Anjara ny fitiavana ao ny fo samy tia
Fa matoa aho tojo fandavana tsy anjara ny hiara-dia
Eny! misaotra fa tsy misy tsiny sanatria
Mahita fahasambarana mandrakizay doria

Hihira aho handrara FANDRAFESANA
Fa lafo vidy ny fitia
Manambany fahafatesana

Hivetso aho hampiseho fahasambarana
Hivavaka sy hitalaho mba hahita toa ANAO
Satria ny fitiavako tsy tara
Fa misy kosa ny vintana sy anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1584 0
Hevitra mandeha
Rajordri ( 16/11/2007 13:52)
mba asehoy amin'ny endrika hafa koa hoe, tsara ny tantara fa ilay sentonao no tsara ho jerena amin'ny enrika hafa.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : verokely
Nampiditra : verolove
Daty : 16/11/2007 07:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136