Asio Fahendrena (Vetso mena)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ mba tandremo ihany lesy mba tandremo ihany akia
Ny tsy mety mifampatoky nefa milaza fa ho doria
Mba tandremo ihany oa lay mifamitaka kely
Fa ilay fitiavana tsy mba natao an-tery

_ tsarovy ihany anefa fa mafy ny fitia
Misy sedra maro izany hoe tena tia
Ka mba asio fahendrena sy fifampitokisana
Satria ianareo no nisafidy ny hoe hiaraka.

_ mbola ho maro ireo sedra atrehanareo roa
Ka mba saino dieny zao ny ho avy iainan-droa
Ka Lay tokatrano kely hatsanganareo any aoriana
Tsarovy tsara anefa, fa mbola hisy fijaliana

_ mba tsarovy koa, fa tsy vitan'ny teny hoe tiako ianao
Ny fiainanao any aoriana fa mbola hokarakarainao
Koa ny hafatro dia tsotra, tsy ataoko am-pahalemena
Ny hilaza aminareo hoe mba asio fahendrena
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1126 1
Mpakafy: Lurissadr
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148