Fitiavan'ny poeta (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ tsy hay fantarina ary sarotra sedraina
Ny mety ho ao am-pony sy ny ao an-tsaina
Raha mbola poeta, lay olon-tian'ny tena
Mbola tsapa avokoa, ny asa sorany mahonena

_ Izy poeta na hitia anao amin'ny fony aza
Betsaka ny asany, tsy hay nefa nampalaza
Noheverinao fa momba anao, hay ny an'ilay taloha
Ka somary nanery mafy ny fo sy nankarary ny loha

_ lay fitiavana azy anefa, tsy nanery azy tsy ho poeta
Fa efa anatin'io ny fiainany, satria izay no talenta
Fa ankehitriny anefa ianao, tsy ho verivery foana satria
Efa fantatrao ary tena tsapanao fa izy tena tia
--------
Rohy:
858 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011