Ilay foko (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ tsy tiako ianao ry fo, nefa tiako koa
Fa ianao hiavian'ny ratsy, mpamokatra soa
Manome fakam-panahy toa hafahafa
Ka nampitsiry mafy ilay fitiavana

_ tsy tiako hoy aho, satria toa mampijaly
Rehefa ilay voadona ka mahatsiaro ho fay
Mahatsiaro ho resy sy toa tsy mampanantena
Ka nahatonga fahoriana mampamono tena

_ tiako ihany anefa fa mampitsiry tantely
Ka nanome teny mamy feno rotsirotsy kely
Eo lay teny hoe " tiako ianao" mampiray
Ka nampitombo ilay fitia efa tany..

_ ka tiako ianao no mbola sady halako
Ry foko malzmy, mahery sy malalako
Mitondra hery hafahafa, 'zay mampiray
Nefa koa mitsimbadimbadika, ka mahafat
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
908 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146