Ilay poeziako Fahiny (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ Fahiny aho raha nanoratra irery
Toa mirakitra fitia sy feno tebiteby
Kanefa ankehitriny, naniry azy indray
Ho fitia matotra sy tena mampiray

_ fahiny aho rehefa teo am-panoratana
Ireny nataoko ho tononkalo sy tantara
Tsy mbola fantatro akory, fa nataoko mangina
Ny nanoratra azy ireny, ka ho lasa poezia

_ Fahiny aho raha nitia azy toa an-tsokosoko
Ka voarakitro ho tononkalo avy ao am-poko
Fenoko rotsirotsy, nasiako teny mamy
Nefa tsy tonga tany fa ahy irery ihany.

_ izany no poeziako fahiny, tsy nasiako kirikiry
Ny hanoratra ho azy hatrany,tsy natao hampakivy
Ankehitriny anefa, mihezaka mafy hatrany
Hihanoka ny kanto hampirindra azy indray
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
691 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139