Lay voalohany (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ lay andro voalohany nahitako anao
Tsy maty an'eritreritra lay endrikao
Toa tia anao aho, tia anao lay foko adala
Kanefa ny hilaza azy toa tsapako fa manalasala

_ nitohy ihany anefa mbola tsy sahy nilaza
Fa nafeniko ho ahy irery tao anaty fahanginana
Izay tokoa va lay fitia mangina niaretako
Rehefa lavitra anao ry lay antsoiko hoe malalako ?

_ tsapanao ihany anefa, f'izaho tena tia anao
F'ilay fihetsiko ihany dia milaza fa te ho malalanao
Tamin'ilay tsika niresaka sy nifandray tamin'ireny
Ka naleonao namboraka azy koa rehefa ilay irery

_ tsaroako indray lay voalohany niarahantsika
Tantara marina mifikitra an-doha fa tena nifankatia
Zay ngamba no anjaram-pitiavako ankehitriny
Fa ianao irery ihany hoy ny foko no tena iriny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1182 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221