You are here: home > Vetso

Mba tiako koa... - Vetso mena

_ mba tiako koa ny ho lasa poeta
Toa anao io hamentsovetso an-kalo
Mba tena iriako sy  lasa hetaheta
Ny miventsoventso ireny tononkalo

_ mba tiako koa ny ho lasa mpanoratra
Hanoratra ireny tantara mambabo fo
Mba faniriako ny hirakotra ny asa soratra
Ho lasa boky iray handrakotra ny tontolo

_ mba tiako koa ny hanoratra ho an'ny onjam-peo
Fa tena tiako erĂ½ mantsy ny hoe re ny asa soratro
Onjam-peo maro mandravaka ireny amin'ny feo
No ho reko hikalokalo sy hamelona ireny kanto

_ mba tena tiako koa raha mba tazako an-gazety
Ireny tononkalo sy sombin-tsombin-kalokalo
Hovakivakiako matetika, angalako hety
Ka hotehiriziko manokana ireny lahatsoratro.

_ mba tena tiako ny ho lasa toa anao.
Mba hoe lasa mpikalo sy mpanoratra
Mba tena faniriako e ny hoe hikalokalo
Toa anareo rehetra mpanoratra ny asa soratra

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

nalsonrazakariasa2015 (06/04/2018 20:49:35)

Tsara be r'ise ilay izy a,tohizo fa mahafinaritra.mankasitraka eh

Hametraka hevitra

Midira aloha