Ny mpifankatia (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ lay tanana roa natao hifandray
Fo miara-mitempo fa te ho iray
Feno hasambarana ka falifaly
Ka mahatonga lay fitia mifamaly

_ lay saina, lay fo toa nifanaraka
Nifandray, nifampitantana ary nampiaraka
Endrey izato izy, ery amoron'ny farihy
Revon-dresaka irery, toa tsy mety ho kivy

_ mba tena kanto loatra, feno fahasambarana
Fenofeno tsikitsiky rehefa miaraka eny an-dalana
Izany tokoa angaha, lay hoe mba samy tia
Ka nampihaina nampivelona an'ilay fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1636 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146